1. Fa rehefa faly iny ah ny maraina,
Satria zah zava-manan'aina, mahatsapa ny lanjan'ny fiavana eh!
D zah aty mba te hifankatia,
Mandrakizay rah azo atao,
Fa mamy be ny mihavana rahavana.
Fa ela ny ela, fa isika tsy ho voasaraky ny elanelan-tany.
Afaka miserasera, lamozika nampitambatra ny fo mitempo hatrany.
Torolalana nampiray, fa ny zotram-piainana efa samy manana ny azy.
Atao faona zay mampilay, fa rehefa tafahaona afaka mba manal'azy
Enga anie tsika ho samy tafa,
Samy anamarika ny fisiany amin'izay rehetra kasainy.
Enga anie tsika ho samy tafa, satria tsika positif man, positif girl.
2. D tsy ivatsika loha na dia bobaka ny mpialona,
Ny ataotsika foana no ataotsika hoa ry gyal,
Tanjona ho tafita fa ny antsika hafa kely,
Tsika mifanampy vao mitambatra mahery,
Revetsika ny mpangarika satria tsika milay,
Tsika mahasahy mifandaroka amin'ny anaran'ny Ray.
Tsika tsy manaiky ny tsy rariny amin'ny tsara vitanay.
Ampilamina fa mahatsiaro mibebaka.