(dia ahoana Raljoh, avoahy ny alika)
Ahoana e, ahoana a a (ah ahoana e)
Ahoana e, ahoana a a (ahoana ny kapoakam-bary?)
Ahoana e, ahoana a a (tsy tapaka tsony?)
Ahoana e, ahoana a a (ahoana hita be ve?)
Oay e, fa rahoviana vao tena hilamina
Iza no tena miady ny mafy vahoaka sa be galona
Sambasamba teto an-tanàna ny vahoaka matin'ny bala rora.
Lazao e, lazao ho'aho izay tena marina
Rahoviana ô, Rahoviana vao tena hilamina
Iza ireo omena, dia iza ireo tsy omena?
Iza ireo mahazo, dia iza no tsy mahazo.
Tianay ny firenena na mbola farak'izay mahantra aza
Tianay ny firenena na mbola farak'izay mahantra aza
Toa izany ny feom-bahoaka
Izahay tsy mamorona feom-bahoaka.
Toa izany ny feom-bahoaka
Izahay tsy mandainga fa feom-bahoaka.
Toa izany ny feom-bahoaka
Izahay tsy mandainga fa feom-bahoaka.
Toa izany ny feom-bahoaka
Izahay tsy mandainga fa feom-bahoaka.
Lasa simba 'lay firenena a
Lasa tsy maintsy mivaro-tena a a.
Oay e, toa jiro kely be dia be
Oay e, tsy ahitana mangirana.
Izay rehetra mahasahy miteny dia
Nefa ny fiainana eto mihitsy no tady hahalasa adala.
Avoahy e, avoahy ho'aho ilay tena marina
Rahoviana ô, Rahoviana vao hotafarina.
Ilay vola tokony ho antsika lasanareo irery fa tsy nizara
Rahoviana ary i Gasikara vao hiaina anaty mangarahara
Oay e, Voavidy nivaralila
Oay e, akisolelaka miaramila
Iza no tena miady, mafy vahoaka sa be galona.
Sambasamba teto an-tanàna ny vahoaka matin'ny bala rora.
Tianay ny firenena na mbola farak'izay mahantra aza
Tianay ny firenena na mbola farak'izay mahantra aza
Tianay ny firenena na mbola farak'izay mahantra aza
Tianay ny firenena na mbola farak'izay mahantra aza
Ampidiro am'zay ny alika)