Na ranomaso aza indraindray
Toa tsy ampy hamafa izay nahazo ahy
Toa resin’ny fiainana ka leo
Izay mba nandrandraiko ho ahy
Nofy mielina tsy ho azoko
Na dia nanao izay azo atao
Tsinontsinona aho fa tsy eo Ianao
Teo aho vao tonga saina hoe
Fa nalahelo aho tsy araka izay
Nantenaiko no nitranga ho ahy
Fa ianao mahalala izay mety ho ahy
Dia nitalaho aho tamin’izay
Izay mba fifaliako sy izay rehetra tiako
Ny olona nataoko ho tia ahy
Na dia nanao izay ho afako aho
Toa vao maika mankarary ahy
’Zay vao nahatakatra aho fa
Fa nalahelo aho tamin’izay
Hoe nahoana izao no mahazo ahy
Hay aho tsy miankina Aminao
Raha sendra lavo aho dia tohananao
Tsy ho kivy,tsy hitomany intsony aho
F’ianao efa nilaza fa tsy ho avelanao ho very aho
Manana Anao ho ahy rahatrizay
IZAO AAAAAAAAAAAAAHO!!!!!!
FA MANANA ANAAAAAAAAAAAAO!!!!!!!!
FA MANANA ANAAAAAAAAAAAAO!!!!!!!!
FA MANANA ANAAAAAAAAAAAAO!!!!!!!!