Hiezaka ny iresaka Aminao,
efa ela ihany aho no te hiteny , efa ela ihany aho no nanontany
afaka ny hiaino ahy ve Ianao, afaka handray ahy izao
fa resy sy mahatsiaro very ka mila Anao aho anio Tompo ô
Fa ny hangatahiko Aminao, tano aho tsy hiala anilanao
na tsy hiaino ahy izao rehetra izao
nefa aza omena mihoatra izay
sao aho anjary hirehareha ka anadino anao indray Jeso
vao maraina aho mifoha dia efa Ianao no antsoiko
Jeso mila Anao aho, mila Anao hameno ahy
ka aza avela ho very aho, fa omeo hery indray
fa mahatsiaro aho mantsy indraindray toy ny ireny tsisy mpiahy
Fa ny hangatahiko Aminao, tano aho tsy hiala anilanao
na tsy hiaino ahy izao rehetra izao
nefa aza omena mihoatra izay
sao aho anjary hirehareha ka anadino Anao indray Jeso
vao maraina aho mifoha dia efa Ianao no antsoiko
Jeso mila Anao aho, mila Anao hameno ahy
ka aza avela ho very aho, fa omeo hery indray
fa mahatsiaro aho mantsy indraindray toy ny ireny tsisy mpiahy