Sarahan'ny elanelana tsy handalo
Sanatria tsy hoe manadino
Fa ny toeranao tsy miova fa ao am-poko ao e
Ny any sisa heriko dia mikalo, irony vorona mandalo
Eny an'habakabaka, mametsoventso anao aho e
Ny asa atao aty mbola ho ela be
Mbola ho ela be e , ny elanelana e
Mba ho kalokaloiko ho an'dry
Rehefa irery ao am-padriana o
Ref : Za koa aty mba tsy tafandry
Za koa aty malahelo an'dry
Fa za koa aty mba sasa-miandry
('Zay tia hono mahandry o)
Fa 'za koa aty mba tsy tafandry
Za koa aty malahelo an'dry
Fa za koa aty mba sasa-miandry
('Zay tia hono mahadnry o)
Ny elanelana ve hoa no diso
Tena tsy aiko ra ho avy rahampitso
Ilay fiara hitondra anay mankany e
Fa tsy quoi io fa iafiako
Na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho tonga any e o
Tsisy ahasakana an'ahy raha toa ka mahasahy ianao
Fa ny andro sy ny volana tsy ahasakana ny fo
Hifankahita raha tena mifankatia tokoa
Ka na efa ela aza no tsy hitako
Ref : Za koa aty mba tsy tafandry...
Sarahan'ny elanelana tsy handalo
Sanatria tsy hoe manadino
Fa ny toeranao tsy miova fa ao am-poko ao e
Nyh any sisa heriko dia mikalo, irony vorona mandalo
Eny an'abakabaka mamentsovento anao aho e
Ref : Za koa aty mba tsy tafandry...