Isan’andro izao, isan’andro ianao: ny handeha izao foana
Vao misy adiady, tsy mihaino azafady, fa ny handeha, ny handeha izao foana
Ref: Mahazo mandeha (2), mahazo mandeha tsisy arakaraka
Tsisy arakaraka (2), za koa leo a!
Mahazo mandeha amin’izay, mahazo mandeha (2) tsisy arakaraka
Za koa mba leo (2), leo aho
Any andro iray, any aoriana any sao reraky ny fiainana (avy any ianao)
dia ho avy indray fa resiresy avy any, tonga haka toerana (fa tonga dia)
Zory ny lalanao, tohizo ny fiainanao sao mbola misy tsy vita
Ny aty tsy handrara intsony, aza miasa saina akory, k’aza miahiahy
Hiodina indray ny fiainana avy eo sao hanantena tsy misy
Zay vava natao dia mba ekeo fa ho tsarain’ny ampitso
Tazomy ny teny raha tena lehilahy, f’aza miovaova (fa ny ampitso tsy androany)
Mahità izay iriana, tongava amin’ny avo, aza mody intsony (raha tena hoe manan-kambo)
Zory ny lalanao, tohizo ny fiainanao sao mbola misy tsy vita
Ny aty tsy handrara intsony, aza miasa saina akory, k’aza miahiahy
Tonony sy feony : RANDRIATAHINA Faniry