Nangingina foana hatrizay, fanahiniako aloha tsy niteny
Nandefitra foana izay ela izay , fitsapako anao nefa ireny
Dia niaritra teny aho dia niaritra fona, fa nararaotinao nefa izany
Aleo ‘za hiteny f’izao ny fotoana, hitenenako farany hoe
Tiako hoe tiako ianao iny mba mandinin-tena amizay
Tiako hoe tiako ianao iny mba mandinin-tena amizay
Ref: Fa tsy voatery ‘za, tsy voatery ‘za, tsy voatery hoe ‘za foana no diso
Fa tsy voatery ‘za, tsy voatery ‘za , tsy voatery hoe ‘za foana no diso
Dia ‘zay hataonao , ‘zay hataonao, ‘zay hataonao foana no mety
Dia tsy maintsy hoe ‘za , tsy maintsy hoe ‘za raha tsy maintsy hoe ‘za foana no diso
Fa tsy voatery iano foana ny marina, aleoko tsy misy , dia aleo ‘za amin’izao
Aleoko tsy misy, toa izay hendrikendrika lava izao
Mba niaritra iany hatrizay , diso foana n’inoninona hatao
Jereo any ankafa sao mba misy mahazaka , ‘zay efa niainako izay
Aleo samy miala dien’ny tsisy maratra, ‘Zao aty koa efa fay
Ref: Fa tsy voatery ‘za, tsy voatery ‘za, tsy voatery hoe ‘za foana no diso
Tsy hoe ‘zao no mila kisa, firy taona zao no niainantsika
Tsy maintsy ianao foana no tompon’ny teny farany
Ny hafa no mety hazaka, ny ahy vita hatreo ‘zao lasa
Ref: Fa tsy voatery ‘za, tsy voatery ‘za, tsy voatery hoe ‘za foana no diso
‘Zay marary ahy mety tsy harary anao, ny anao ny anankiana foana isan’andro zao
‘Zay mafy niainako mbola ho hitanao, ‘za tsy hiantso tody fa ny antsika aok’izay
Tiako hoe tiako ianao iny mba mandinin-tena amizay
Tiako hoe tiako ianao iny mba mandinin-tena amizay
Ref: Fa tsy voatery ‘za, tsy voatery ‘za, tsy voatery hoe ‘za foana no diso
Tsy voatery ianao foana no marina