Mila vaniny amin'ny tsy antony
Malahelo aho, tsy aiko hoe maninona
Mandinin-tena aho dia nahatsapa
Fa kay ny foko ao mbola feno ratra
Ka androany aho manao azafady
Raha nahatofoka anao ireo
"Aiza ianao ? Iza no eo ankaikinao ? Tena tia ahy ve ianao ?"
Izany foana no nanontaniako
Satria tsy mahatoky tena aho…
Tsy ampy ahy ny fitiavanao"
Mody izany foana no hany mba nolazaiko
Satria matahotra ilaozana aho…
Dia aleoko izaho foana no mandeha
Mora tezitra sy tsy mazaka
Rehefa ianao ilay mba misangisangy iny
Tsy mety mino rehefa toriana fitia
Nandin-tena aho dia nahatsapa
Fa kay ny foko mbola feno ratra
Ka androany aho manao azafady
Raha nahatofoka anao ireo
"Aiza ianao ? Iza no eo ankaikinao ? Tena tia ahy ve ianao ?"
Izany foana no nanontaniako
Satria tsy mahatoky tena aho…
Tsy ampy ahy ny fitiavanao"
Mody izany foana no hany mba nolazaiko
Satria matahotra ilaozana aho…
Dia aleoko izaho foana no mandeha
Na izaho tsy ianao ary efa ela aho no dila,
Raha izao foana no ataoko hirahira ?
"Aiza ianao ? Iza no eo ankaikinao ? Tena tia ahy ve ianao ?"
Izany foana no nanontaniako
Satria tsy mahatoky tena aho…
Tsy ampy hay ny fitiavanao"
Mody izany foana no hany mba nolazaiko
Satria matahotra ilaozanao aho…
Dia aleoko izaho foana no mandeha
Aleoko izaho foana no mandeha