Namela takaitra sy ratra,
Noheveriko tsy ho sitrana aho.
Hay vao maika nanamafy, nanatsara,
Vao maika nanamamy ny tantara,
Tena tiako ny nandalo an’reny,
Voadona dia voaratra izay vao nahiratra aho,
Fantatrao ny fanefena volamena:
Totona, dorana izay vao mamiratra.
Tena tiako ny nandalo an’reny,
Voadona dia voaratra izay vao nahiratra aho,
Fantatrao ny fanefena volamena:
Mami… mami.. mami.. mami..mamirapiratra aho
Mami… mami... mamirapiratra aho
Mami… mami.. mamirapiratra aho
Misaotra an’ireo rehetra nanao tsia
Raha ts’isy an’reny tsy nahafantatra aho hoe
Misaotra an’reo rehetra nanao fanahiniana
Raha tsy izany tsy nahalala aho hoe mahery aho.
Misaotra an’ireo tsy namaly ny antsoko
Izao aho tsy miantsoantso intsony,
Taloha mantsy mifompona, matahotra mafy
Misaotra nampianatra ahy tsy nanery fitia
Fa hay: ny anjara tsy antsoiny fa tonga ho azy,
Tena tiako ny nandalo an’reny,
Voadona dia voaratra izay vao nahiratra aho,
Fantatrao ny fanefena volamena:
Totona, dorana izay vao mamiratra.
Tena tiako ny nandalo an’reny,
Voadona dia voaratra izay vao nahiratra aho,
Fantatrao ny fanefena volamena:
Mami… mami.. mami.. mami..mamirapiratra aho
Mami… mami... mamirapiratra aho
Mami… mami.. mamirapiratra aho
Mami… mami.. mami.. mami..mamirapiratra aho
Mami… mami... mamirapiratra aho
Mami… mami.. mamirapiratra aho
Tena tiako ny nandalo an’reny,
Voadona dia voaratra izay vao nahiratra aho,
Fantatrao ny fanefena volamena:
Totona, dorana izay vao mamiratra aho.