(Ayam ft. Bryan Lynaress)
Indraindray ireo akaikinao ihany
Fa tsy hiakatra hihaavo ambony noho izy.
Dia mody mampahery ihany nefa satriny ianao ho kivy
Tiany ho azy irery ny mamy
Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Rehefa be ny mpanambany ataovy ambony ny saina
Aza mety mitomany, aza manaiky mitaraina.
Misintaha raha toa ka izay no ilaina
"Izaho koa mahavita miaina na tsisy anao aza"
Fa vitan'ny hafa ve dia tsy ho vitanao.
Aleo izy no hahita ny fahombiazanao.
Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary