1.Asa ianao any raha mahita tsara ho ahy
Meva sy tsotra malefaka mahababo fanahy
Manjavona ny andro rehefa irery ka mila fitia
Latsaka an-tery manembona foana mihira ho an-dri!
Mbola tsy haiko hoe iza ianao ilay amboara mendrika ho ahy
Hitondra ilay tsikitsikinao am-babo ity foko tsy hanahy.
Ametraka tanjona lavitra ho fitia mandrakizay!
Ny dinantsika tsy hifandao fa ambany fiarovan’i Ray!
Fa ilay fitia omenao ahy!
Raha anolotra ny foko ho anao!
Handravaka ilay tokan-tranoko ianao
Ka amerimberina,hoe tiako ianao!
2.Voninkazo mamelana hitondra fiainam-baovao
Miangolangola tsara firindra!
Miavaka ianao, tsy hoe be filaza fa hamakivaky izao rehetra izao ho anao!
Mba valio aho! Raha mahare ianao!
Mbola tsy haiko hoe iza ianao ilay amboara mendrika ho ahy
Hitondra ilay tsikitsikinao am-babo ity foko tsy hanahy.
Ametraka tanjona lavitra ho fitia mandrakizay!
Ny dinantsika tsy hifandao fa ambany fiarovan’i Ray!
Fa ilay fitia omenao ahy!
Raha anolotra ny foko ho anao!
Handravaka ilay tokan-tranoko ianao
Ka amerimberina,hoe tiako ianao!
Fa ilay fitia omenao ahy!
Raha anolotra ny foko ho anao!
Handravaka ilay tokan-tranoko ianao
Ka amerimberina, tiako ianao!