1.Tsy fanahiniako fa dia tsy haiko hoe nahoana?
Nofinofiko toa lasa zava-poana
Raha nisafidy izaho dia ny ho eo anilanao
Zah naniry anao tsy haiko raha tsapanao?
Saingy indrisy mantsy fa tsy afaka atao
Izaho diso fiantefa lasa namanao
Zaho tsy hanery, azafady, avelao
Ny mitso-drano no azo atao
Nanjara lasa nofy ilay fitia...
Izaho ilay nihevitra fa tsy misy azo atao
Satria tsy fantatro izay ao am-ponao
Ka lasa nofy ilay hoe izaho sy ianao.
Izaho ilay nihevitra fa tsy misy azo atao
Satria tsy fantatro izay ao am-ponao
Fa za maniry mba ho anilako ianao!
2.Ianao ilay ato an-doha!
Aleo aho hitia anao an-tsokosoko
Izaho ilay nihevitra fa tsy misy azo atao
Satria tsy fantatro izay ao am-ponao
Fa za maniry mba ho anilako ianao!
Izaho ilay nihevitra fa tsy misy azo atao
Satria tsy fantatro izay ao am-ponao
Fa za maniry mba ho anilako ianao!
… izao tsy hiova loko intsony
Aleo aho hitia anao an-tsokosoko..