Izay ela izay tia ahy ianao!
Ankehitriny tsy ho ahy ianao
Ka ny maso sisa mipitrapitra
1.Tsy hoe fanahiniana atao,
Fa aleo mitsotra aminao izay tena ato am-poko...
Raha vao izaho nahita anao,
Ka tsy hoasiako nenina ilay fitiavana
Fa tsy vita ilay miaritra,
Tsy ho sitrana ny foko oh!
Tsy ho ataoko izay sitraponao,
Ny hasambatra anao no tiako oh!
Ekeko ny anadino anao fa sarotra
Ilay fitiavana mba nirina hateza
Ilay dinantsika hoe rahatrizay,
Hoe fitiavana tsy hiofo mandrakizay!
Lasa setroka, efa levona,
Ny Lalana mbola ho lavitra!
Ho an'izay mety ho mendrika!
Ka omeko anao izay rehetra tso-drano,
Afaka misotro afaka milomano,
anaty fifaliana tsy hisy tomany
Izay ilay fanirintsika eto an-tany...
Izay ela izay tia ahy ianao!
Ankehitriny tsy ho ahy ianao
Ka ny maso sisa mipitrapitra
Izao andro izao andronareo!
Tsy antsika roa moa mifarana hatreo!
Ka dia tsofin-drano tsy hidiran'angano ny amin'ny ho avy.
Ramian - Mariazin'olon-tiana