1. Niala maina aho na niezaka eh
Nanao izay rehetra vitako oh!
Tsy sitraponao ilay nitantàna ka aleo mandinika eh...
Nefa zah' efa niezaka eh eh eh
Mba tsy ho hanenenako oh oh !
Fa raha tsy misy tanjona alavitra,
Dia aleo koa misaraka eh!
Ilay fitiavanao, tsy ho anjarako eh...
Ka mba tsy hisy ny olana dia aleo samy mandinika eh!
Izay rehetra vitànao hifonako oh oh oh...
Fa za tsy hiaritra lava aminao bae
Raha tsy mety hajanony fa makarary
Efa hitanao zah fa mijaly
Ianao ihany no ilaiko oh!
Nefa tsapanao tsara fa tsy ho lavorary,
Tsara tso-drano hahita ny anjara
Fifalianao no tiako oh...
Zah koa tsy te halala ah!
Fa ny maso nahita ny sofina efa nandre!
Efa rava 'lay fitia ka mitso-drano anao zah raha handeha!
Ilay fitiavanao, tsy ho anjarako eh
Ka mba tsy hisy ny olana dia aleo samy mandinika eh
Izay rehetra vitànao hifonako oh
Fa za tsy hiaritra lava aminao bae.
Raha tsy mety hajanony fa makarary,
Efa hitanao zah fa mijaly
Ianao ihany no ilaiko oh!
Nefa tsapanao tsara fa tsy ho lavorary,
Tsy milamina ny foko oh...
Tsara tso-drano hahita ny anjara
...Efa tsapanao tsara fa tsy ho lavorary...
... Fifalianao no tiako oh!