1.Raha fitia no ilaina aty misy eh
Raha sendra ady mafy aza kivy eh
Indray androany ianao mbola ho tafita eh
Ka aza asina nenina izay rehetra efa vita eh
Na havia na havanana mety eh
Te hiady mafy mba tsy ho resy eh
Raha hiverin-dalàna tsy mety eh
Tsy maintsy ho voatefy eh
Fa mpandresy aho, mpandresy aho fa manana Anao
Lavitry ny tahotra ao anatiko ao
Fa matoky feno ilay fitiavanao
2.Tsy ho resy aho fa manam-pinoana
Handroso hatrany manam-panantenana
Manana Ray mandamina ny ora
Milamina tsy mba ho very anjara eh
Fa tsy misy hoe tonga lafatra
Na dia hoe izay no tanjona
Na havia na havanana mety eh
Te hiady mafy mba tsy ho resy eh
Raha hiverin-dalàna tsy mety eh
Tsy maintsy ho voatefy eh
Fa mpandresy aho, mpandresy aho fa manana Anao
Lavitry ny tahotra ao anatiko ao
Fa matoky feno ilay fitiavanao
Raha fitia no ilaina aty misy eh
Raha sendra ady mafy aza kivy eh
Indray androany ianao mbola ho tafita eh
Ka aza asina nenina izay rehetra efa vita eh
Mpandresy aho fa manana Anao
Lavitry ny tahotra ao anatiko ao
Fa matoky feno ilay fitiavanao
Fa mpandresy aho, mpandresy aho fa manana Anao
Lavitry ny tahotra ao anatiko ao
Fa matoky feno ilay fitiavanao