Ekeko anie fa lavitra ny misy anao
Arena soa, sarobidy koa ny anilanao
Ianao ihany no hantenaina
Fitiavako anao malala tsy ho levona
Faniriako efa ela ny iara-dalana aminao
Ka hiezaka mafy ho anao mba tsy ho tavela eh
Raha tsy eo ianao tsy ho zakako
Tsy misy fifaliana raha tsy anilanao
Raha misy hampisaraka tsy hasakana
Malalako, hianteherako, fitiavako, harenako
Tsy ho hatakaloko, hifikirako
Malalako, hianteherako, fitiavako, harenako
Tsy ho hatakaloko, hifikirako
Fitiavako anao malala tsy ho levona
Faniriako efa ela ny iara-dalana aminao
Ka hiezaka mafy ho anao mba tsy ho tavela eh
Na mamy na mangidy efa niharetana
Fitiavako anao malala tsy ho levona
Faniriko efa ela ny iara-dalana aminao
Raha misy hampisaraka tsy hasakana
Fitiavako anao malala tsy ho levona
Faniriako efa ela ny iara-dalana aminao
Ka hiezaka mafy ho anao mba tsy ho tavela eh